2 Samuel 12:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO naniraka an’i Natana hankao amin’i Davida. Dia tonga tao aminy izy ka niteny taminy hoe: Nisy olona roa lahy tao an-tanàna iray, ny iray mpanankarena ary ny iray mahantra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nirahin’i Iaveh ho any amin’i Davida i Natàna, ka tonga tany aminy izy, dia nanao taminy hoe: «Nisy olona roa lahy, tao amin’ity tanàna anankiray; ny iray mpanan-karena ary ny iray mahantra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Naniraka an’i Natàna mpaminany ho any amin’i Davida ny TOMPO. Rehefa tonga tany aminy izy, dia nanao taminy hoe: –Nisy lehilahy roa tao amin’ny tanàna iray, ny anankiray mpanankarena ary ny anankiray mahantra.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah naniraka an'i Natana hankao amin'i Davida. Ary dia tonga tao aminy izy ka nanao taminy hoe: Nisy olona roa lahy tao an-tanàna anankiray, ny iray manan-karena, ary ny iray malahelo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO naniraka an’i Natana hankao amin’i Davida. Dia tonga tao aminy izy ka niteny taminy hoe: Nisy olona roa lahy tao an-tanàna iray, ny iray mpanankarena ary ny iray mahantra.
malagasy
[Ny nibebahan'i Davida, rehefa nanarin'i Natana, ary ny nahafahany an'i Raba] Ary Jehovah naniraka an'i Natana hankao amin'i Davida. Ary dia tonga tao aminy izy ka nanao taminy hoe: Nisy olona roa lahy tao an-tanàna anankiray, ny iray manan-karena, ary ny iray malahelo.