2 Samuel 12:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao koa no lazain’NY TOMPO: Indro, Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin’ny ankohonanao ihany; hesoriko eo imasonao ny vadinao ka homeko ny namanao ary handry amin’ny vadinao amin’izao antoandrobenanahary izao izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh: Indro fa ny ankohonanao, hananganako ny loza hihatra aminao; ny vadinao hotsoahako eo imasonao, ka homeko ny mifanolo-bodirindrina aminao, izay handry aminy eo anatrehan’izao masoandro izao;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazaiko aminao: Indro fa hahatonga loza amin’ny ankohonanao Aho. Halàko eo imasonao ireo vadinao ka homeko olon-kafa izay hiray aminy antoandrobenanahary.
Malagasy Bible 1865
Izao koa no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin'ny ankohonanao ihany; ary hesoriko eo imasonao ny vadinao ka homeko ny namanao; ary izy handry amin'ny vadinao amin'izao antoandrobenanahary izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao koa no lazain’NY TOMPO: Indro, Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin’ny ankohonanao ihany; hesoriko eo imasonao ny vadinao ka homeko ny namanao ary handry amin’ny vadinao amin’izao antoandrobenanahary izao izy.
malagasy