2 Samuel 12:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Davida tamin’i Natana: Nanota tamin’NY TOMPO aho. Hoy kosa i Natana tamin’i Davida: NY TOMPO efa nanaisotra ny helokao ka tsy ho faty ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Davida tamin’i Natàna: «Nanota tamin’i Iaveh aho!» Fa hoy kosa i Natàna tamin’i Davida: «Navelan’i Iaveh ny helokao, ka tsy ho faty ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Davida tamin’i Natàna: –Nanota tamin’ny TOMPO aho. Ary hoy kosa i Natàna tamin’i Davida: –Ny TOMPO efa namela ny helokao, ka tsy ho faty ianao.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Davida tamin'i Natana: Efa nanota tamin'i Jehovah aho. Ary hoy kosa atana tamin'i Davida: Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Davida tamin’i Natana: Nanota tamin’NY TOMPO aho. Hoy kosa i Natana tamin’i Davida: NY TOMPO efa nanaisotra ny helokao ka tsy ho faty ianao.
malagasy
Dia hoy Davida tamin'i Natana: Efa nanota tamin'i Jehovah aho. Ary hoy kosa atana tamin'i Davida: Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao.