2 Samuel 12:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nandray hafitoana dia maty ny zaza. Ary natahotra hilaza ny nahafatesan’ny zaza taminy ny mpanompon’i Davida. Hoy izy ireo: Indro, fony mbola velona aza ny zaza, raha niteny taminy isika dia tsy nohenoiny ny feontsika, koa hataontsika ahoana no filaza aminy ny fahafatesan’ny zaza? Mety hanimba tena izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tamin’ny andro fahafito, maty ny zaza, ka natahotra ny hilaza ny nahafatesany tamin’i Davida ny mpanompony, fa hoy ireo: «Fony mbola velona aza ny zaza, niteny taminy isika fa tsy nohenoiny ny feontsika, ka hataontsika ahoana no filaza aminy hoe: maty ny zaza! Vao mainka loza no hafitsony.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny andro fahafito dia maty ilay zaza. Natahotra ny hilaza aminy ny fahafatesan’ny zaza ireo mpanompon’i Davida, fa nifampiresaka hoe: «Fahavelon’ny zaza aza tsy nihaino antsika izy raha mba niteny taminy isika, koa ankehitriny atao ahoana no filaza aminy fa maty ny zaza? Tsy ho loza va?»
Malagasy Bible 1865
Ary nony nandray hafitoana, dia maty ny zaza; ary ny mpanompon'i Davida natahotra hilaza ny nahafatesan'ny zaza aminy, fa hoy ireo: Indro, fony mbola velona aza ny zaza, raha niteny taminy isika, dia tsy nohenoiny ny feontsika, koa hataontsika ahoana no filaza aminy ny fahafatesan'ny zaza? fandrao hanimba tena izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony nandray hafitoana dia maty ny zaza. Ary natahotra hilaza ny nahafatesan’ny zaza taminy ny mpanompon’i Davida. Hoy izy ireo: Indro, fony mbola velona aza ny zaza, raha niteny taminy isika dia tsy nohenoiny ny feontsika, koa hataontsika ahoana no filaza aminy ny fahafatesan’ny zaza? Mety hanimba tena izy.
malagasy