2 Samuel 12:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niarina tsy nandry tamin’ny tany intsony i Davida ary nandro sy nihosotra diloilo ary nanova ny fitafiany dia nankao amin’ny tranon’NY TOMPO ka niankohoka; ary nody tany an-tranony izy ka niantso mba hisy handroso sakafo eo anoloany; dia nihinana izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niarina tamin’ny tany i Davida ka nandro, nihosotra diloilo sy nanova fitafiana, dia nankao an-tranon’i Iaveh izy ary niankohoka. Nony nody tao an-tranony izy nangataka horosoana sakafo dia nihinana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary niarina avy teo amin’ny tany i Davida, ka nandro sy nihosotra diloilo ary nisolo akanjo; dia nankao an- tranon’ny TOMPO izy ka nivavaka. Rehefa nody tany aminy izy, dia nangataka horosoana sakafo ka nihinana.
Malagasy Bible 1865
Dia niarina tsy nandry tamin'ny tany intsony Davida ary nandro sy nihosotra diloilo ary nanova ny fitafiany, dia nankao amin'ny tranon'i Jehovah ka niankohoka; ary dia nody tany an-tranony izy ka niantso mba hisy handroso hanina eo anoloany, dia nihinana izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niarina tsy nandry tamin’ny tany intsony i Davida ary nandro sy nihosotra diloilo ary nanova ny fitafiany dia nankao amin’ny tranon’NY TOMPO ka niankohoka; ary nody tany an-tranony izy ka niantso mba hisy handroso sakafo eo anoloany; dia nihinana izy.
malagasy