2 Samuel 12:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy ny mpanompony taminy: Inona izao zavatra ataonao izao? Fony mbola velona ny zaza dia nifady hanina sy nitomany ianao, fa rehefa maty ny zaza dia niarina sy nihinan-kanina kosa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy ny mpanompony taminy: «Izao ataonao izao kosa no mba ahoana? Fa fony mbola velona ny zaza, nifady hanina sy nitomany ianao, nony maty kosa ny zaza ankehitriny, miarina sy mihinana mofo ianao?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny mpanompony taminy: –Inona no dikan’izao? Fahavelon’ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany ianao; fa rehefa maty kosa izy, dia niarina sy nihinan-kanina indray ianao?
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny mpanompony taminy: Ahoana izao zavatra nataonao izao? Fa fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany ianao, fa rehefa maty ny zaza, dia niarina sy nihinan-kanina kosa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy ny mpanompony taminy: Inona izao zavatra ataonao izao? Fony mbola velona ny zaza dia nifady hanina sy nitomany ianao, fa rehefa maty ny zaza dia niarina sy nihinan-kanina kosa.
malagasy
Ary hoy ny mpanompony taminy: Ahoana izao zavatra nataonao izao? Fa fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany ianao, fa rehefa maty ny zaza, dia niarina sy nihinan-kanina kosa.