2 Samuel 12:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy izy: Fony mbola velona ny zaza dia nifady hanina sy nitomany tokoa aho, fa hoy aho: Iza moa no mahalala na mba hamindra fo amiko NY TOMPO ka hahavelona ny zaza, na tsia?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy izy: «Fony mbola velona ny zaza nifady hanina sy nitomany aho; fa hoy aho anakam-po: Iza no mahalala? Hamindra fo amiko angaha i Iaveh ka ho velona ihany ny zaza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy ny navalin’i Davida: –Fahavelon’ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany aho satria nanao anakampo hoe: «Iza no mahalala? Angamba hiantra ahy ihany ny TOMPO ka tsy hamela ny zaza ho faty».
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy: Fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany tokoa aho: fa hoy izaho: Iza moa no mahalala na mba hamindra fo amiko Jehovah ka hahavelona ny zaza, na tsia?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy izy: Fony mbola velona ny zaza dia nifady hanina sy nitomany tokoa aho, fa hoy aho: Iza moa no mahalala na mba hamindra fo amiko NY TOMPO ka hahavelona ny zaza, na tsia?
malagasy
Ary hoy izy: Fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany tokoa aho: fa hoy izaho: Iza moa no mahalala na mba hamindra fo amiko Jehovah ka hahavelona ny zaza, na tsia?