2 Samuel 12:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nampionona an’i Batseba vadiny i Davida; niditra tao aminy izy ka nandry taminy; ary niteraka zazalahy izy ka ny anarany dia nataony hoe Solomona. Ary tia azy NY TOMPO
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanala alahelo an’i Betsabea vadiny i Davida dia nankao aminy, ka nandry taminy. Ary tera-dahy ravehivavy, ka nataony hoe Salômôna no anarany: tia azy i Iaveh,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nampionona an’i Bàty-Seba vadiny i Davida, dia nankao aminy ka niray taminy; ary ravehivavy kosa niteraka zazalahy izay nomen’i Davida anarana hoe Salômôna. Ary ny TOMPO tia ilay zaza,
Malagasy Bible 1865
Ary Davida nampionona an'i Batseba vadiny, dia niditra tao aminy ka nandry taminy; ary niteraka zazalahy izy, ka ny anarany nataony hoe Solomona. Ary Jehovah tia azy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nampionona an’i Batseba vadiny i Davida; niditra tao aminy izy ka nandry taminy; ary niteraka zazalahy izy ka ny anarany dia nataony hoe Solomona. Ary tia azy NY TOMPO
malagasy
Ary Davida nampionona an'i Batseba vadiny, dia niditra tao aminy ka nandry taminy; ary niteraka zazalahy izy, ka ny anarany nataony hoe Solomona. Ary Jehovah tia azy,[Solomona = Miadana]