2 Samuel 12:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa ilay mahantra kosa dia tsy nanana na inona na inona afa-tsy zanak’ondrivavy kely iray monja izay novidiny; nokolokoloiny tsara io ka nitombo teo aminy sy ny zanany; sombiny tamin’ny sakafon-dRalehilahy no nohaniny, ary tamin’ny kapoakany no nisotroany, sady notrotroiny teo an-tratrany izy ka nataony toy ny zanany vavy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa ondrivavy kely anankiray novidiny no mba an’ilay mahantra. Nompiany izy ka nitombo tao aminy niaraka tamin’ny zanany, nihinana tamin’ny mofony, nisotro tamin’ny kapoakany, natory teny an-trotroany, ary nataony toy ny zanany vavy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fa ilay mahantra kosa tsy nanana afa-tsy ondrivavikely iray izay novidiny. Nofahanany tsara izy io, ka niara-nitombo tamin’ireo zanany tao aminy. Ny sakafo fihinan’ilay mahantra no nihinanany; ny ronono fisotrony no nisotroany; ary teo akaikiny no nampatoriany.
Malagasy Bible 1865
fa ilay malahelo kosa tsy nanana na inona na inona afa-tsy zanak'ondry vavy kely iray monja izay novidiny; ary nokolokoloiny tsara io ka nitombo teo aminy sy ny zanany; fa tamin'ny hanin-kelin-dralehilahy no nihinanany, ary tamin'ny kapoakany no nisotroany, sady notrotroiny teo an-tratrany izy ka nataony toy ny zananivavy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa ilay mahantra kosa dia tsy nanana na inona na inona afa-tsy zanak’ondrivavy kely iray monja izay novidiny; nokolokoloiny tsara io ka nitombo teo aminy sy ny zanany; sombiny tamin’ny sakafon-dRalehilahy no nohaniny, ary tamin’ny kapoakany no nisotroany, sady notrotroiny teo an-tratrany izy ka nataony toy ny zanany vavy.
malagasy