2 Samuel 12:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nesoriny ny satroboninahitra teny an-dohan’ilay mpanjaka, talenta volamena iray no lanjany, sady nisy vatosoa. Nisatrohan’i Davida izany. Ary navoakany avy tao an-tanàna ny babo be dia be azony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nesoriny teny an-dohan’ny mpanjakan’izy ireo, ny satroboninahiny lanjana talenta volamena iray, izay nisy vatosoa anankiray ka natao teny an-dohan’i Davida. Ary babo be dia be no nentiny avy ao an-tanàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nesoriny teny an-dohan’i Milkôma ny satroboninahitra volamena izay milanja mihoatra ny 30 kilao; ary nisy vatosoa tamin’io satroboninahitra io, ka nafindra ho eo an-tampon’ny satroboninahitr’i Davida. Zavatra marobe koa no voababony avy tao an-tanàna.
Malagasy Bible 1865
Dia nesoriny ny satro-boninahitr'ilay mpanjaka teny an-dohany talenta volamena iray no lanjany, sady nisy vato soa, ary dia nisatrohan'i Davida. Ary navoakany tao an-tanàna ny babo azo, ka be dia be ireny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nesoriny ny satroboninahitra teny an-dohan’ilay mpanjaka, talenta* volamena iray no lanjany, sady nisy vatosoa. Nisatrohan’i Davida izany. Ary navoakany avy tao an-tanàna ny babo be dia be azony.
malagasy
Dia nesoriny ny satro-boninahitr'ilay mpanjaka teny an-dohany talenta volamena iray no lanjany, sady nisy vato soa, ary dia nisatrohan'i Davida. Ary navoakany tao an-tanàna ny babo azo, ka be dia be ireny.[Na: Malkama; izahao Zef. i. 5]Ary dia navoakany koa ny olona teo ka nataony teo amin'ny tsofa sy ny fangao-by lehibe ary ny famaky vy, ary nataony tao anatin'ny fandoroam-biriky; toy izany no nataony tamin'ny tanànan'ny taranak'i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.[Na: (nampiasaina tamin')]