2 Samuel 12:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ny olona izay navoakany dia nasainy niasa teo amin’ny tsofa sy ny ragiragy lehibe mbamin’ny famaky vy ary tao amin’ny fandoroam-biriky; toy izany no nataony tamin’ny tanànan’ny taranak’i Amona rehetra. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny vahoaka rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny vahoaka hita tao dia navoakany ka napetrany hiasa amin’ny tsofa, sy ny pika vy, mbamin’ny famaky vy, ary nafindrany tamin’ny fanefem-biriky. Nataony toy izany avokoa ny tanànan’ny taranak’i Amôna. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny vahoaka rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nataon’i Davida sesitany ny mponina izay tao ka nampiasainy mafy tamin’ny tsofa sy ny lapika ary ny famaky na notereny ho mpandasitra biriky. Nataony toy izany avokoa ireo tanàna hafa rehetra fonenan’ny Hamônita. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny tafiny manontolo.
Malagasy Bible 1865
Ary dia navoakany koa ny olona teo ka nataony teo amin 'ny tsofa sy ny fangao-by lehibe ary ny famaky vy, ary nataony tao anatin'ny fandoroam-biriky; toy izany no nataony tamin'ny tanànan'ny taranak'i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ny olona izay navoakany dia nasainy niasa teo amin’ny tsofa sy ny ragiragy lehibe mbamin’ny famaky vy ary tao amin’ny fandoroam-biriky; toy izany no nataony tamin’ny tanànan’ny taranak’i Amona rehetra. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny vahoaka rehetra.
malagasy
Ary dia navoakany koa ny olona teo ka nataony teo amin'ny tsofa sy ny fangao-by lehibe ary ny famaky vy, ary nataony tao anatin'ny fandoroam-biriky; toy izany no nataony tamin'ny tanànan'ny taranak'i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.[Na: (nampiasaina tamin')]