2 Samuel 12:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy vahiny tonga tao amin’ilay mpanankarena, nefa ny ondry aman’osiny sy ny ombiny dia notsitsiny ka tsy nakany hatao sakafo ho an’ilay vahiny tonga tao aminy, fa ny zanak’ondrivavy izay an’ilay mahantra kosa no nalainy ka nataony sakafo ho an’ilay olona tonga tao aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanam-bahiny kosa ilay mpanan-karena, nefa tsy nety naka tamin’ny ondriny na ny ombiny izy hanamboatra sakafo ho an’ilay vahiny tonga tao aminy; fa ny ondrivavin’ilay mahantra no nalainy sy namboariny, ho an’ilay olona tonga tao aminy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro, nandray vahiny ilay manankarena. Tsy mba naka tamin’ireo omby aman’ondriny anefa izy hamahanany azy, fa ny ondrivavikelin’ilay mahantra no nalainy ka namboariny ho an’ilay vahiny.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy vahiny tonga tao amin'ilay manan-karena, nefa ny ondriny aman'osiny sy ny ombiny notsitsiny ka tsy nangalany hatao nahandro ho an'ilay vahiny tonga tao aminy; fa ny zanak'ondry vavin'ilay malahelo kosa no nalainy, ka dia nataony nahandro ho an'ilay olona tonga tao aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy vahiny tonga tao amin’ilay mpanankarena, nefa ny ondry aman’osiny sy ny ombiny dia notsitsiny ka tsy nakany hatao sakafo ho an’ilay vahiny tonga tao aminy, fa ny zanak’ondrivavy izay an’ilay mahantra kosa no nalainy ka nataony sakafo ho an’ilay olona tonga tao aminy.
malagasy