2 Samuel 12:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nirehitra mafy tamin’izany olona izany ny fahatezeran’i Davida ka hoy izy tamin’i Natana: Raha velona koa NY TOMPO, tsy maintsy hovonoina ho faty izay olona nanao izany!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nirehitra fatratra tamin’izany olona izany ny fahatezeran’i Davida, ka hoy izy tamin’i Natàna: «Raha velona koa i Iaveh dia marina raha tsy mendrika ny hovonoina izay olona nanao izany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tezitra mafy tamin’izany lehilahy izany i Davida ka nilaza tamin’i Natàna hoe: –Velona ny TOMPO ka manizingizina aho fa mendrika ny ho faty izay olona nanao izany!
Malagasy Bible 1865
Dia nirehitra mafy ny fahatezeran'i Davida tamin'izany olona izany, ka hoy izy tamin'i Natana: Raha velona koa Jehovah, tsy maintsy hatao maty izay olona nanao izany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nirehitra mafy tamin’izany olona izany ny fahatezeran’i Davida ka hoy izy tamin’i Natana: Raha velona koa NY TOMPO, tsy maintsy hovonoina ho faty izay olona nanao izany!
malagasy
Dia nirehitra mafy ny fahatezeran'i Davida tamin'izany olona izany, ka hoy izy tamin'i Natana: Raha velona koa Jehovah, tsy maintsy hatao maty izay olona nanao izany;