2 Samuel 12:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Natana tamin’i Davida: Ianao izany! Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Izaho nanosotra anao ho mpanjakan’ny Israely ka namonjy anao ho afaka tamin’ny tanan’i Saoly;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Natàna tamin’i Davida: «Tsy iza fa ianao izany olona izany. Ka izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Nanosotra anao ho mpanjaka amin’i Israely Aho, ary nanafaka anao tamin’ny tanan’i Saola;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Natàna tamin’i Davida: –Ianao izany olona izany! Koa izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Izaho no nanosotra anao ho mpanjakan’i Israely sady namonjy anao ho afaka tamin’ny famelezan’i Saoly.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Natana tamin'i Davida: Hianao no izy. Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely ka namonjy anao ho afaka tamin'ny tànan'i Saoly;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Natana tamin’i Davida: Ianao izany! Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Izaho nanosotra anao ho mpanjakan’ny Israely ka namonjy anao ho afaka tamin’ny tanan’i Saoly;
malagasy
Dia hoy Natana tamin'i Davida: Hianao no izy. Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely ka namonjy anao ho afaka tamin'ny tànan'i Saoly;