2 Samuel 12:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary nomeko anao ny tranon’ny tomponao sy ny vadin’ny tomponao ho andefimandrinao, ary nomeko anao koa ny firenena Israely sy Joda; raha mbola tsy ampy anao izany dia ho nomeko bebe kokoa ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny tranon’ny tomponao nomeko anao; ny vadin’ny tomponao nataoko teo am-pofoanao; ny taranak’i Israely sy i Jodà natolotro anao, ary raha kely loatra izany mbola ho nampiako izao sy izao koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Natolotro hofehezinao ny fianakavian’i Saoly ary nataoko tonga andefimandrinao ny vadiny; natolotro ho eo ambany fahefànao ny vahoakan’i Israely sy i Joda. Ary raha mbola tsy ampy anao izany, dia ho nomeko toy izany ianao.
Malagasy Bible 1865
ary nomeko anao ny tranon'ny tomponao sy ny vadin'ny tomponao ho andefimandrinao, ary nomeko anao koa ny firenen'Isiraely sy Joda; ary raha mbola tsy ampy ho anao izany, dia ho nomeko bebe kokoa ianao;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary nomeko anao ny tranon’ny tomponao sy ny vadin’ny tomponao ho andefimandrinao, ary nomeko anao koa ny firenena Israely sy Joda*; raha mbola tsy ampy anao izany dia ho nomeko bebe kokoa ianao.
malagasy
ary nomeko anao ny tranon'ny tomponao sy ny vadin'ny tomponao ho andefimandrinao, ary nomeko anao koa ny firenen'Isiraely sy Joda; ary raha mbola tsy ampy ho anao izany, dia ho nomeko bebe kokoa ianao;