2 Samuel 13:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony afaka izany dia izao no nitranga: Nanana anabavy tsara tarehy i Absaloma, zanak’i Davida, Tamara no anarany; ary tia azy i Amnona, zanak’i Davida.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tatỳ aorian’izany dia nanana anabavy tsara tarehy kosa i Absalôma zanak’i Davida; Tamara no anarany, ary tia azy io i Amnôna zanak’i Davida.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no nitranga taorian’izany: I Absalôma zanakalahin’i Davida dia nanana anabavy tsara tarehy natao hoe Tamara. Raiki-pitia taminy i Amnôna zanakalahin’i Davida anankiray.
Malagasy Bible 1865
Ary nony afaka izany, dia nisy toy izao: Absaloma, zanak'i Davida, nanana anabavy tsara tarehy, Tamara no anarany; ary tia azy Amnona, zanak'i Davida.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony afaka izany dia izao no nitranga: Nanana anabavy tsara tarehy i Absaloma, zanak’i Davida, Tamara no anarany; ary tia azy i Amnona, zanak’i Davida.
malagasy
[Ny ratsy nataon'i Amnona, sy ny namonoan'i Absaloma azy, ary ny nandosiran'i Absaloma] Ary nony afaka izany, dia nisy toy izao: Absaloma, zanak'i Davida, nanana anabavy tsara tarehy, Tamara no anarany; ary tia azy Amnona, zanak'i Davida.