2 Samuel 13:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Amnona tamin’i Tamara: Ento atỳ an’efitrano ny sakafo hihinanako ny avy eny an-tananao. Dia nalain’i Tamara ny mofo nataony ka noentiny tao amin’ny efitrano tao amin’i Amnona anadahiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia hoy i Amnôna tamin’i Tamara: «Ento ao anaty salobom-pandriana ny nahandro hihinanako azy avy eny an-tananao.» Dia nalain’i Tamara ny mofo nataony, ka nentiny tao amin’i Amnôna anadahiny, tao anaty salobo-pandriana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy izy tamin’i Tamara: –Ento atỳ am-parafarako ny sakafo mba hihinanako izay arosonao ahy. Dia nalain’i Tamara ny mofo izay namboariny ka nentiny teo am-parafaran’i Amnôna anadahiny.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Amnona tamin'i Tamara: Ento atỳ amin'ny efi-trano ny nahandro hihinanako ny avy eny an-tananao. Dia nalain'i Tamara ny mofo nataony ka nentiny tao amin'ny efi-trano tao amin'i Amnona anadahiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Amnona tamin’i Tamara: Ento atỳ an’efitrano ny sakafo hihinanako ny avy eny an-tananao. Dia nalain’i Tamara ny mofo nataony ka noentiny tao amin’ny efitrano tao amin’i Amnona anadahiny.
malagasy