2 Samuel 13:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy ny anabaviny: Sanatria, Ranadahy! Aza misavika ahy fa tsy fanao eto amin’ny Israely izany; aza manao izany hadalana izany ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy ny navaliny azy: «Tsia, ranadahy, aza manala baraka ahy, fa tsy fanao eto amin’i Israely izany, ka aza manao izany zava-betaveta izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy izy taminy: –Tsia, ranadahy, aza manao an-keriny ahy, fa tsy fanao eto Israely izany. Aza manao izany zava-pady izany.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny anabaviny: Sanatria, ranadahy! Aza misavika ahy; fa tsy fanao eto amin'ny Isiraely izany; aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy ny anabaviny: Sanatria, Ranadahy! Aza misavika ahy fa tsy fanao eto amin’ny Israely izany; aza manao izany hadalana izany ianao.
malagasy
Ary hoy ny anabaviny: Sanatria, ranadahy! Aza misavika ahy; fa tsy fanao eto amin'ny Isiraely izany; aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianao.[Heb. fahadalana]