2 Samuel 13:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niakanjo akanjo misoratsoratra Razazavavy; fa izany no fanaon’ny zanakavavin’ny mpanjaka ho akanjo ambony, raha mbola virijiny izy. Dia navoakan’ilay mpanompon’i Amnona izy ka nohidiny ny varavarana nony tafavoaka izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Akanjo mirebareba no nentin-dravehivavy, fa izany no fitafiana fanaon’ny zanaky ny mpanjaka dieny mbola virjiny izy. Dia navoakan’ny mpanompo izy, ka narindriny ny varavarana nony tafavoaka izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia navoakan’ilay mpanompo izy; ary nohidiany ny varavarana, rehefa tafavoaka izy. Nanao akanjo lava misoratsoratra i Tamara; fa izany no fentin’ny zanakavavin’ny mpanjaka, raha mbola virijiny izy.
Malagasy Bible 1865
Ary niakanjo akanjo lava razazavavy; fa izany no fanaon'ny zanakavavin'ny mpanjaka ho akanjo ambony, raha mbola virijina izy. Dia navoakan'ilay ankizilahy izy, ka nohidiany ny varavarana, nony tafavoaka izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niakanjo akanjo misoratsoratra Razazavavy; fa izany no fanaon’ny zanakavavin’ny mpanjaka ho akanjo ambony, raha mbola virijiny izy. Dia navoakan’ilay mpanompon’i Amnona izy ka nohidiny ny varavarana nony tafavoaka izy.
malagasy
Ary niakanjo akanjo lava razazavavy; fa izany no fanaon'ny zanakavavin'ny mpanjaka ho akanjo ambony, raha mbola virijina izy. Dia navoakan'ilay ankizilahy izy, ka nohidiany ny varavarana, nony tafavoaka izy.[Na: akanjo misoratsoratra]