2 Samuel 13:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nararim-pitia noho ny amin’i Tamara anabaviny i Amnona, satria virijiny izy ka sarotra tamin’i Amnona ny haka azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niritra aina i Amnôna ka nandraiki-narary terỳ noho ny amin’i Tamara anabaviny, fa virjiny ity izy, ka noheverin’i Amnôna fa toa tsy ho azony atao na inona na inona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niferinaina i Amnôna ary nandraiki-narary noho ny amin’i Tamara anabaviny, satria virijiny izy io ka sarotra tamin’i Amnôna ny haka azy.
Malagasy Bible 1865
Ary Amnona nalahelo ka matiny ihany noho Tamara anabaviny; fa virijina izy, ka sarotra tamin'i Amnona ny haka azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nararim-pitia noho ny amin’i Tamara anabaviny i Amnona, satria virijiny izy ka sarotra tamin’i Amnona ny haka azy.
malagasy
Ary Amnona nalahelo ka matiny ihany noho Tamara anabaviny; fa virijina izy, ka sarotra tamin'i Amnona ny haka azy.