2 Samuel 13:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Absaloma anadahiny taminy: Efa niaraka taminao va i Amnona anadahinao? Mangìna ihany aloha, Ranabavy, fa anadahinao izy; fa aza malahelo noho izany. Dia nitoetra tao an-tranon’i Absaloma anadahiny i Tamara sady ory.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Absalôma anadahiny taminy: «Tsy maintsy nalehan’i Amnôna anadahinao àry ianao izay ka? Fa amin’izao, ranabavy, mangina fa anadahinao iny, ka aza asiana alahelo ao am-ponao.» Dia tao an-tranon’i Absalôma anadahiny, no nitoetra i Tamara notsindrian’ny alahelony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy Absalôma anadahiny taminy: «Nanaovan’i Amnôna anadahinao an-keriny angaha ianao? Mangina aloha, ranabavy, fa anadahinao izy ary aza malahelo amin’izany.» Koa nitoetra irery nalahelo tao an-tranon’i Absalôma anadahiny i Tamara.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Absaloma anadahiny taminy: Efa tany aminao va Amnona anadahinao? Mangina ihany aloha, ranabavy, fa anadahinao izy; fa aza malahelo noho izany. Ka dia nitoetra tao an-tranon'i Absaloma anadahiny Tamara sady ory.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Absaloma anadahiny taminy: Efa niaraka taminao va i Amnona anadahinao? Mangìna ihany aloha, Ranabavy, fa anadahinao izy; fa aza malahelo noho izany. Dia nitoetra tao an-tranon’i Absaloma anadahiny i Tamara sady ory.
malagasy