2 Samuel 13:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Absaloma: Raha tsy izany ary, trara antitra ianao, aoka i Amnona rahalahiko no handeha hiaraka aminay. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no handeha hiaraka aminao izy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Absalôma: «Rehefa dia tsy handeha àry ianao dia avelao ahay i Amnôna rahalahiko handeha hiaraka aminay.» Ary hoy ny navalin’ny mpanjaka: «Ahoana no hiarahany aminao?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Absalôma: –Raha tsy mety kosa àry ianao, dia aoka i Amnôna rahalahiko no handeha hiaraka aminay. Ary hoy ny mpanjaka taminy: –Fa ahoana izy no handeha hiaraka aminao?
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Absaloma: Raha tsy izany ary, trarantitra ianao, aoka Amnona rahalahiko no handeha hiaraka aminay. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ahoana no hiarahany aminao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Absaloma: Raha tsy izany ary, trara antitra ianao, aoka i Amnona rahalahiko no handeha hiaraka aminay. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no handeha hiaraka aminao izy?
malagasy
Dia hoy Absaloma: Raha tsy izany ary, trarantitra ianao, aoka Amnona rahalahiko no handeha hiaraka aminay. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ahoana no hiarahany aminao?