2 Samuel 13:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanome teny ny zatovony i Absaloma hoe: Miomàna tsara, fa rehefa faly ny fon’i Amnona azon’ny divay ka lazaiko aminareo hoe: Asio i Amnona! Dia vonoy ho faty izy, nefa aza matahotra; tsy izaho va no nanome teny anareo? Matokia, aoka hiseho ho lehilahy mahery ianareo!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nomen’i Absalôma izao didy izao ny mpanompony, nataony hoe: «Tandremo fa rehefa falifalin’ny divay ny fon’i Amnôna ka hataoko hoe: Asio i Amnôna! Dia vonoy ho faty izy. Aza matahotra satria tsy iza fa izaho no mandidy anareo ka matokia; misehoa ho mahery fo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao kosa no baiko nomeny an’ireo mpanompony: –Jereo tsara, fa rehefa falin-divay ny fon’i Amnôna ka milaza aminareo aho hoe: «Asio i Amnôna!», dia vonoy ho faty izy. Aza matahotra. Moa tsy izaho va no nanome baiko anareo? Koa sahia ary misehoa ho mahery fo!
Malagasy Bible 1865
Ary Absaloma nanome teny ny zatovony hoe: Miomàna tsara, fa rehefa faly ny fon'i Amnona azon'ny divay, ka lazaiko aminareo hoe: Asio Amnona, dia ataovy maty izy, fa aza matahotra; tsy izaho va no nanome teny anareo? Matokia, aoka hiseho ho lehilahy mahery ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanome teny ny zatovony i Absaloma hoe: Miomàna tsara, fa rehefa faly ny fon’i Amnona azon’ny divay ka lazaiko aminareo hoe: Asio i Amnona! Dia vonoy ho faty izy, nefa aza matahotra; tsy izaho va no nanome teny anareo? Matokia, aoka hiseho ho lehilahy mahery ianareo!
malagasy