2 Samuel 13:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny zatovon’i Absaloma nanatanteraka tamin’i Amnona ny teny nomen’i Absaloma azy. Dia nitsangana avokoa ny zanakalahin’ny mpanjaka rehetra ary samy nitaingina ny ampondrany ka nandositra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nasian’ny mpanompon’i Absalôma araka ny nandidian’i Absalôma azy i Amnôna. Ary tafatsangana avokoa ny zanaky ny mpanjaka rehetra, dia samy nitaingina ny moleny avy ka vaky nandositra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia notanterahin’ny mpanompon’i Absalôma tamin’i Amnôna araka izay baikon’i Absalôma izany. Dia nitsangana avokoa ny zanakalahin’ny mpanjaka hafa ka samy nitaingina ny borikiny ary nandositra.
Malagasy Bible 1865
Ary ny zatovon'i Absaloma nanao tamin'i Amnona araka ny teny nomen'i Absaloma azy. Dia nitsangana avokoa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra, ary samy nitaingina ny ampondrany ka nandositra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny zatovon’i Absaloma nanatanteraka tamin’i Amnona ny teny nomen’i Absaloma azy. Dia nitsangana avokoa ny zanakalahin’ny mpanjaka rehetra ary samy nitaingina ny ampondrany ka nandositra.
malagasy
Ary ny zatovon'i Absaloma nanao tamin'i Amnona araka ny teny nomen'i Absaloma azy. Dia nitsangana avokoa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra, ary samy nitaingina ny ampondrany ka nandositra.