2 Samuel 13:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Jonadaba, zanak’i Simea, rahalahin’i Davida, niteny hoe: Aoka ny tompoko tsy hilaza hoe: Matiny avokoa ny zatovo rehetra, zanakalahin’ny mpanjaka; fa i Amnona ihany no maty; satria i Absaloma efa nifofo azy hatramin’ny andro nanolanany an’i Tamara anabaviny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary niteny i Jônadaba zanak’i Semaà, rahalahin’i Davida, ka nanao hoe: «Aoka ny tompoko tsy hilaza fa maty avokoa ny zazalahy rehetra, zanaky ny mpanjaka; i Amnôna irery no maty. Zavatra teo am-bavan’i Absalôma izany hatramin’ny andro nametavetan’i Amnôna an’i Tamara anabaviny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa i Jônadaba zanakalahin’i Simehà izay rahalahin’i Davida kosa nandray fitenenana ka nanao hoe: –Aoka ianao, ry andriamanjaka, tsy hihevitra fa maty avokoa ny tovolahy rehetra zanakao. Tsia, i Amnôna ihany no maty; ary izany dia fanapahan-kevitr’i Absalôma hatramin’ny andro nanaovan’i Amnôna an-keriny an’i Tamara anabaviny.
Malagasy Bible 1865
Ary Jonadaba, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida, nanao hoe: Aoka ny tompoko tsy hanao hoe: Matiny avokoa ny zatovo rehetra, zanakalahin'ny mpanjaka; fa Amnona ihany no maty; fa Absaloma efa nifofo azy hatramin'ny andro nisavihany an'i Tamara anabaviny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Jonadaba, zanak’i Simea, rahalahin’i Davida, niteny hoe: Aoka ny tompoko tsy hilaza hoe: Matiny avokoa ny zatovo rehetra, zanakalahin’ny mpanjaka; fa i Amnona ihany no maty; satria i Absaloma efa nifofo azy hatramin’ny andro nanolanany an’i Tamara anabaviny.
malagasy