2 Samuel 13:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa hoy izy taminy: Nahoana ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no mihamahia isanandro isanandro? Tsy tianao hambara amiko va ny antony? Dia hoy i Amnona taminy: Tia an’i Tamara, anabavin’i Absaloma rahalahiko, aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy io taminy: «Nahoana ity ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no dia milonika be ihany toy izao isa-maraina? Tsy tianao halaza amiko va ny amin’izany?» Ka hoy i Amnôna taminy: «Tia an’i Tamara anabavin’i Absalôma rahalahiko aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy izy tamin’i Amnôna: –Fa nahoana no maloka endrika isan’andro toy izao ianao, ry zanaky ny mpanjaka? Tsy tianao lazaina amiko ve izany? Dia hoy i Amnôna taminy: –Tiako i Tamara anabavin’i Absalôma rahalahiko.
Malagasy Bible 1865
Ka hoy izy taminy: Nahoana ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no mihamahia isan'andro isan'andro? Tsy tianao hambara amiko va izany? Dia hoy Amnona taminy: Tia an'i Tamara, anabavin'i Absaloma rahalahiko, aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa hoy izy taminy: Nahoana ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no mihamahia isanandro isanandro? Tsy tianao hambara amiko va ny antony? Dia hoy i Amnona taminy: Tia an’i Tamara, anabavin’i Absaloma rahalahiko, aho.
malagasy