2 Samuel 13:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Jonadaba taminy: Mandria eo amin’ny fandriananao ianao ka modia marary; ary rehefa tonga mamangy anao ny rainao dia lazao aminy hoe: Trara antitra ianao, aoka i Tamara anabaviko mba ho avy hampihinan-kanina ahy ary hanamboatra ny sakafo eto imasoko mba ho hitako ka hihinanako ny avy eny an-tanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Jônadaba taminy: «Mandria eo am-parafara, ka modia marary. Ary rehefa tonga hamangy anao irainao, dia lazao aminy hoe: Avelao kely i Tamara anabaviko no ho avy hampihinan-kanina ahy, raha sitrakao; aoka hamboariny eo imasoko ny nahandro mba ho hitako, ary hihinana izany avy eny an-tanany aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Jônadaba taminy: –Mandria eo am-parafaranao, ka manaova sari-marary. Rehefa tonga hamangy anao ny rainao, dia lazao hoe: «Mba avelao i Tamara anabaviko no hitondra sakafo ho ahy, aoka ho eto imasoko no hikarakarany izany mba ho hitako ka hihinanako izay arosony.»
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jonadaba taminy: Mandria eo amin'ny fandrianao ianao, ka modia marary; ary raha avy mamangy anao rainao, dia ataovy aminy hoe: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko mba ho avy hampihinan-kanina ahy ary hanao ny nahandro eto imasoko mba ho hitako ka hihinanako ny avy eny an-tànany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Jonadaba taminy: Mandria eo amin’ny fandriananao ianao ka modia marary; ary rehefa tonga mamangy anao ny rainao dia lazao aminy hoe: Trara antitra ianao, aoka i Tamara anabaviko mba ho avy hampihinan-kanina ahy ary hanamboatra ny sakafo eto imasoko mba ho hitako ka hihinanako ny avy eny an-tanany.
malagasy