2 Samuel 13:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandry i Amnona ka nody narary; ary nony avy mamangy azy ny mpanjaka dia hoy izy taminy: Trara antitra ianao, aoka i Tamara anabaviko hankaty mba hanao mofo roa ho ahy eto imasoko hihinanako ny avy eny an-tanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandry tokoa i Amnôna sy nody narary. Tonga namangy azy ny mpanjaka ary hoy i Amnôna taminy: «Raha sitrakao, aoka i Tamara anabaviko ho avy hanao mofomamy roa eto imasoko, ka hihinana izany avy eny an-tanany aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandry i Amnôna ka nanao sari-marary. Ary tonga ny mpanjaka hamangy azy ka nilazany hoe: –Mba avelao hankatỳ i Tamara anabaviko hanao mofo roa ho ahy eto imasoko hihinanako izay arosony.
Malagasy Bible 1865
Dia nandry Amnona ka nody marary; ary nony avy mamangy azy ny mpanjaka, dia hoy izy taminy: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko hankatỳ hanao mofo roa ho ahy eto imasoko hihinanako ny avy eny an-tànany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandry i Amnona ka nody narary; ary nony avy mamangy azy ny mpanjaka dia hoy izy taminy: Trara antitra ianao, aoka i Tamara anabaviko hankaty mba hanao mofo roa ho ahy eto imasoko hihinanako ny avy eny an-tanany.
malagasy