2 Samuel 14:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy Ravehivavy: Trara antitra ianao, ry mpanjaka ô, aoka hahatsiaro NY TOMPO Andriamanitrao ianao, ary aoka ny mpamaly ra tsy hamono intsony, fandrao mamono ny zanako izy. Dia hoy ny mpanjaka: Raha velona koa NY TOMPO, tsy hisy ho latsaka amin’ny tany na dia singam-bolo iray akory aza amin’ny zanakao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy izy: «Aoka hantsoin’ny mpanjaka i Iaveh Andriamanitrao, mba tsy hampitomboan’ny mpamaly ra ny loza, ka tsy hamonoany ny zanakao!» Hoy ny navaliny: «Toy ny maha-velona an’i Iaveh, dia tsy hisy hihintsana amin’ny tany ny volon-dohan’ny zanakao, na iray aza.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ihany ravehivavy taminy: –Ry andriamanjaka ô, mangataha amin’ny TOMPO Andriamanitrao mba tsy hampian’ny mpamaly faty intsony ny fandripahana, fandrao matiny ny zanako. Ka novalian’ny mpanjaka hoe: –Velona ny TOMPO ka mianiana aminao aho fa tsy hisy hanohintohina na dia ny singam-bolon’ny zanakao aza.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, ry mpanjaka ô, aoka ianao hahatsiaro an'i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ny mpamaly ratsy hamono intsony, fandrao mamono ny zanako izy. Dia hoy ny mpanjaka: Raha velona koa Jehovah, tsy hisy ho latsaka amin'ny tany na dia singam-bolo iray akory aza amin'ny zanakao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy Ravehivavy: Trara antitra ianao, ry mpanjaka ô, aoka hahatsiaro NY TOMPO Andriamanitrao ianao, ary aoka ny mpamaly ra tsy hamono intsony, fandrao mamono ny zanako izy. Dia hoy ny mpanjaka: Raha velona koa NY TOMPO, tsy hisy ho latsaka amin’ny tany na dia singam-bolo iray akory aza amin’ny zanakao.
malagasy