2 Samuel 14:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy ny mpanjaka: Moa i Joaba va no nanosika anao hilaza izany rehetra izany? Dia hoy ny navalin-dRavehivavy: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka tompoko, tsy misy mivily izay rehetra nolazain’ny mpanjaka tompoko na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia; fa i Joaba mpanomponao tokoa no nandidy ahy sy nanome izany teny rehetra izany ny mpanompovavinao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny mpanjaka: «Moa momba anao va ny tanan’i Jôaba amin’izao rehetra izao?» Hoy ny navalin-dravehivavy: «Marina amin’ny maha-velona ny fanahinao, ry mpanjaka tompoko, tsy misy hiviliana na ho any ankavanana na ho any ankavia izay rehetra lazain’ny mpanjaka tompoko. Eny, i Jôaba mpanomponao no nandidy ahy sy nanao izao teny rehetra izao eo am-bavan’ny ankizy vavinao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny mpanjaka nanontany azy: –Moa i Jôaba va no nampirisika anao tamin’izany rehetra izany? Dia hoy ny navalin-dravehivavy hoe: –Veloma ny ainao, ry andriamanjaka, fa marina tsy azo iolakolahana izay rehetra voalazanao. Eny, i Jôaba mpanomponao no nandidy sy nampiteny ahy izay hoteneniko.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny mpanjaka: Moa saina nomen'i Joaba va izany rehetra lazainao izany? Dia hoy ny navalin-dravehivavy: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka tompoko, tsy misy mivily izay rehetra nolazain'ny mpanjaka tompoko na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia; fa Joaba mpanomponao tokoa no nandidy ahy sy nanome izany teny rehetra izany ny mpanompovavinao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy ny mpanjaka: Moa i Joaba va no nanosika anao hilaza izany rehetra izany? Dia hoy ny navalin-dRavehivavy: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka tompoko, tsy misy mivily izay rehetra nolazain’ny mpanjaka tompoko na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia; fa i Joaba mpanomponao tokoa no nandidy ahy sy nanome izany teny rehetra izany ny mpanompovavinao.
malagasy
Ary hoy ny mpanjaka: Moa saina nomen'i Joaba va izany rehetra lazainao izany? Dia hoy ny navalin-dravehivavy: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka tompoko, tsy misy mivily izay rehetra nolazain'ny mpanjaka tompoko na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia; fa Joaba mpanomponao tokoa no nandidy ahy sy nanome izany teny rehetra izany ny mpanompovavinao.[Heb. Moa ny tànan'i Joaba va no aminao amin'izany rehetra izany?]