2 Samuel 14:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandefa iraka tany Tekoa nampaka vehivavy hendry iray tany i Joaba ka nilaza taminy hoe: Miangavy anao aho, modia misaona ka miakanjoa akanjo fisaonana, ary aza mihoso-menaka ianao fa manaova tahaka ny vehivavy efa nisaona ela ny maty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia naniraka ho any Tekoa hitady vehivavy fetsy anankiray i Jôaba ka nilaza taminy hoe: «Modia misaona ianao, manaova akanjo fisaonana, aza mihosotra diloilo, ary manahafa vehivavy mandala olo-maty efa ela be ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nampiantso vehivavy fetsy iray avy any Tekôa i Jôaba ka nilazany hoe: –Manaova sari-misaona ianao ka mitafia akanjo fisaonana; aza mihosotra ilomanitra, fa manaova toy ny vehivavy efa ela nisaonana olona maty iray.
Malagasy Bible 1865
Koa naniraka tany Tekoa nampaka vehivavy hendry tany Joaba ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, modia misaona, ka miakanjoa akanjo fisaonana, ary aza mihoso-diloilo ianao, fa manaova tahaka ny vehivavy efa nisaona ela ny maty;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandefa iraka tany Tekoa nampaka vehivavy hendry iray tany i Joaba ka nilaza taminy hoe: Miangavy anao aho, modia misaona ka miakanjoa akanjo fisaonana, ary aza mihoso-menaka ianao fa manaova tahaka ny vehivavy efa nisaona ela ny maty.
malagasy