2 Samuel 14:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny hanova endrika ny raharaha no nanaovan’i Joaba mpanomponao izany zavatra izany; fa hendry tahaka ilay Anjelin’Andriamanitra ny tompoko ka mahalala ny zavatra rehetra etỳ ambonin’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mba hanarona ny endriky ny raharaha no nanaovan’i Jôaba mpanomponao an’izany fa hendry toy ny Anjelin’Andriamanitra ny tompoko hahalala ny zavatra rehetra mitranga eto ambonin’ny tany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hampivadika ny toe-draharaha no nanaovan’i Jôaba mpanomponao izany zavatra izany. Fa hendry toy ny anjelin’Andriamanitra ianao, tompoko, ka mahafantatra izay rehetra miseho eto ambonin’ny tany.
Malagasy Bible 1865
Ny hampiova tarehy ny raharaha no nanaovan'i Joaba mpanomponao izany zavatra izany; fa hendry tahaka Ilay Anjelin'Andriamanitra tompoko ka mahalala ny zavatra rehetra etỳ ambonin'ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny hanova endrika ny raharaha no nanaovan’i Joaba mpanomponao izany zavatra izany; fa hendry tahaka ilay Anjelin’Andriamanitra ny tompoko ka mahalala ny zavatra rehetra etỳ ambonin’ny tany.
malagasy
Ny hampiova tarehy ny raharaha no nanaovan'i Joaba mpanomponao izany zavatra izany; fa hendry tahaka Ilay Anjelin'Andriamanitra tompoko ka mahalala ny zavatra rehetra etỳ ambonin'ny tany.