2 Samuel 14:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niankohoka tamin’ny tany i Joaba ka nitsaoka sy nisaotra ny mpanjaka; ary hoy i Joaba: Fantatry ny mpanomponao androany fa mahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, amin’ny nanaovan’ny mpanjaka araka ny nangatahin’ny mpanompony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Lavo niankohoka tamin’ny tany i Jôaba, dia nisaotra ny mpanjaka, dia hoy i Jôaba: «Fantatry ny mpanomponao anio fa nahita fitia teo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, fa araka ny tenin’ny mpanompony no ataon’ny mpanjaka.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niankohoka hatreo amin’ny tany i Jôaba ka nisaotsaotra ny mpanjaka nanao hoe: –Fantatro izao fa nahita fitia teo imasonao aho, ry andriamanjaka, tamin’ny nanarahanao ny torohevitro.
Malagasy Bible 1865
Dia niankohoka tamin'ny tany Joaba ka nitsaoka sy nisaotra ny mpanjaka; ary hoy Joaba: Anio no ahafantaran'ny mpanomponao fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, amin'ny nanaovan'ny mpanjaka araka ny nangatahin'ny mpanompony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niankohoka tamin’ny tany i Joaba ka nitsaoka sy nisaotra ny mpanjaka; ary hoy i Joaba: Fantatry ny mpanomponao androany fa mahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, amin’ny nanaovan’ny mpanjaka araka ny nangatahin’ny mpanompony.
malagasy