2 Samuel 14:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nanaratra ny lohany izy dia nolanjainy ny volon-dohany ka sekela roanjato no lanjany, araka ny fandanjan’ny mpanjaka; isaky ny fitsingerenan’ny taona mantsy no nanaratany azy satria nanavesatra azy ka noharatany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia 200 sikla no lanjan’ny volon-dohany, lanjan’ny mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Isaky ny mifarana ny taona dia hetezany ny volon-dohany satria mavesatra loatra aminy. Koa rehefa lanjainy izany dia mahatratra roa kilao araka ny fandanjan’ny mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
Ary raha nanaratra ny lohany izy (fa isaky ny fitsingerenan'ny taona no nanaratany azy; fa nanavesatra azy ka noharatany), dia nolanjainy ny volon-dohany, ka sekely roan-jato no lanjany, araka ny fandanjan'ny mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nanaratra ny lohany izy dia nolanjainy ny volon-dohany ka sekela roanjato no lanjany, araka ny fandanjan’ny mpanjaka; isaky ny fitsingerenan’ny taona mantsy no nanaratany azy satria nanavesatra azy ka noharatany.
malagasy