2 Samuel 14:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa hoy izy tamin’ny mpanompony: Indro, ny tanimbarin’i Joaba dia mifanakaiky amin’ny ahy, ary manana varimbazaha ao izy; andeha, doroy amin’ny afo izany. Ary nodoran’ny mpanompon’i Absaloma ny tanimbary.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay dia hoy i Absalôma tamin’ny mpanompony: «Hitanareo ny sahan’i Jôaba manolotra ny ahy, misy orja ho azy ao, handeha doroy amin’ny afo.» Dia nampirehitra afo ny saha ireo mpanompon’i Absalôma.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa hoy i Absalôma tamin’ny mpanompony: –Hitanareo ilay sahan’i Jôaba mifanakaiky amin’ny ahy, ary misy ôrza! Mandehana doroy. Dia nodoran’ny mpanompon’i Absalôma ny saha.
Malagasy Bible 1865
Koa dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Indro, ny tanimbarin'i Joaba mifanolotra amin'ny ahy, ary manana vary hordea ao izy; andeha, dory amin'ny afo izany. Ary ny mpanompon'i Absaloma dia nandoro ny tanimbary.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa hoy izy tamin’ny mpanompony: Indro, ny tanimbarin’i Joaba dia mifanakaiky amin’ny ahy, ary manana varimbazaha ao izy; andeha, doroy amin’ny afo izany. Ary nodoran’ny mpanompon’i Absaloma ny tanimbary.
malagasy