2 Samuel 14:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy i Absaloma tamin’i Joaba: Indro, nandefa iraka tany aminao aho ka niteny hoe: Mankanesa atỳ hirahiko ho any amin’ny mpanjaka hilaza hoe: Nahoana aho no niala tany Gesora? Tsara amiko raha nitoetra tany ihany mandraka ankehitriny. Koa ankehitriny, aoka re mba hahita ny tavan’ny mpanjaka aho, koa raha manan-keloka aho dia aoka hovonoiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy ny navalin’i Absalôma tamin’i Jôaba: «Indro fa naniraka hilaza aminao aho hoe: Avia atỳ fa hirahiko ho any amin’ny mpanjaka ianao, hanao aminy hoe: Haninona aho no niverina avy any Gesora? Tsaratsara kokoa ho ahy ny mbola any ihany. Koa ankehitriny dia te hahita ny tavan’ny mpanjaka aho, ary raha misy heloka atỳ amiko dia aoka hovonoiny aho!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Absalôma tamin’i Jôaba: –Indro efa nampiantso anao hankatỳ amiko aho mba halefako any amin’ny mpanjaka hilaza aminy hoe: «Nahoana aho no niverina avy any Gesora? Naleoko mbola nijanona tany ihany.» Koa mba te hahita tava ny mpanjaka aho ankehitriny; fa raha toa ka meloka aho, dia aoka izy hamono ahy ho faty.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Absaloma tamin'i Joaba: Indro, naniraka tany aminao aho ka nanao hoe: Mankanesa atỳ hirahiko ho any amin'ny mpanjaka hanao hoe: Nahoana no niala tany Gesora aho? Tsara amiko raha nitoetra tany ihany mandraka ankehitriny. Koa ankehitriny, aoka re mba hahita ny tavan'ny mpanjaka aho, ka raha manan-keloka aho, dia aoka hovonoiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy i Absaloma tamin’i Joaba: Indro, nandefa iraka tany aminao aho ka niteny hoe: Mankanesa atỳ hirahiko ho any amin’ny mpanjaka hilaza hoe: Nahoana aho no niala tany Gesora? Tsara amiko raha nitoetra tany ihany mandraka ankehitriny. Koa ankehitriny, aoka re mba hahita ny tavan’ny mpanjaka aho, koa raha manan-keloka aho dia aoka hovonoiny.
malagasy
Fa hoy Absaloma tamin'i Joaba: Indro, naniraka tany aminao aho ka nanao hoe: Mankanesa atỳ hirahiko ho any amin'ny mpanjaka hanao hoe: Nahoana no niala tany Gesora aho? Tsara amiko raha nitoetra tany ihany mandraka ankehitriny. Koa ankehitriny, aoka re mba hahita ny tavan'ny mpanjaka aho, ka raha manan-keloka aho, dia aoka hovonoiny.Ary Joaba nankany amin'ny mpanjaka ka nanambara izany taminy: ary dia nampanalain'ny mpanjaka Absaloma, dia nankao aminy izy ka niondrika tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka; ary dia nanoroka an'i Absaloma ny mpanjaka.