2 Samuel 14:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary indreo, ny mpianakavy rehetra nanangana ady tamiko mpanompovavinao ka niteny hoe: Atolory ilay namely ny rahalahiny fa hataonay maty izy noho ny ain’ny rahalahiny izay novonoiny ka hovonoinay koa ny mpandova; hovonoiny koa ny vainafoko sisa ka tsy hamelany anarana na zanaka ho an’ny vadiko etỳ ambonin’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary indro nitsangana ny tamingana rehetra hamely ny ankizy vavinao, ka nanao hoe: Atolory ilay namono ny rahalahiny, dia hataonay maty izy hanefa ny ain’ny rahalahiny izay novonoiny, ka hataonay levona hatramin’ny mpandova aza! Ka izay tapa-porohana sisa amiko dia hovonoiny, mba tsy hisy tavela hamelo-maso ny anaran’ny vadiko na handimby azy eto ambonin’ny tany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitsangana hanohitra ahy ny fianakaviana manontolo ka nanao tamiko hoe: «Atolory anay ilay mpamono ny rahalahiny, fa hataonay maty koa izy satria nahafaty ny rahalahiny, ka dia hovonoinay ho faty koa ny mpandova.» Araka izany dia tian’izy ireo hofongorana ilay tapa-porohana sisa ato amiko mba tsy hahafahany hamelo-maso ny anaran-drainy eto an-tany.
Malagasy Bible 1865
Ary, indreo, ny mpianakavy rehetra nanangana ady tamiko mpanompovavinao ka nanao hoe: Atolory ilay namely ny rahalahiny, fa hataonay maty izy noho ny ain'ny rahalahiny izay novonoiny ka dia hovonoinay koa ny mpandova; ka hovonoiny koa ny vainafoko sisa, ka tsy hamelany anarana na zanaka ho an'ny vadiko etỳ ambonin'ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary indreo, ny mpianakavy rehetra nanangana ady tamiko mpanompovavinao ka niteny hoe: Atolory ilay namely ny rahalahiny fa hataonay maty izy noho ny ain’ny rahalahiny izay novonoiny ka hovonoinay koa ny mpandova; hovonoiny koa ny vainafoko sisa ka tsy hamelany anarana na zanaka ho an’ny vadiko etỳ ambonin’ny tany.
malagasy