2 Samuel 14:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy ilay vehivavy avy any Tekoa tamin’ny mpanjaka: Ry mpanjaka tompoko ô, aoka ho amiko sy ho amin’ny ankohonan’ny raiko ny heloka; fa ny mpanjaka sy ny sezafiandrianany dia aoka tsy hanan-tsiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy ravehivavy avy any Tekoa tamin’ny mpanjaka: «Aoka ny tenako, ry mpanjaka tompoko, aoka ny fianakavian-draiko no hiharan’ny ota, fa aza ny mpanjaka na ny sezam-panjakany no ho voan’izany!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy kosa ilay vehivavy avy any Tekôa taminy: –Ry andriamanjaka ô, aoka ho ahy sy ho an’ny fianakavian-draiko ny fahadisoana fa tsy manan-tsiny akory ianao sy ny sezafiandriananao.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ravehivavy avy any Tekoa tamin'ny mpanjaka: Ry mpanjaka tompoko ô, aoka ho amiko ny heloka sy ho amin'ny ankohonan'ny raiko; fa ny mpanjaka sy ny seza fiandrianany dia aoka tsy hanan-tsiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy ilay vehivavy avy any Tekoa tamin’ny mpanjaka: Ry mpanjaka tompoko ô, aoka ho amiko sy ho amin’ny ankohonan’ny raiko ny heloka; fa ny mpanjaka sy ny sezafiandrianany dia aoka tsy hanan-tsiny.
malagasy
Ary hoy ravehivavy avy any Tekoa tamin'ny mpanjaka: Ry mpanjaka tompoko ô, aoka ho amiko ny heloka sy ho amin'ny ankohonan'ny raiko; fa ny mpanjaka sy ny seza fiandrianany dia aoka tsy hanan-tsiny.