2 Samuel 15:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Taorianan’izany dia nanomana kalesy fitondra miady iray sy soavaly ary lehilahy dimampolo ho mpihazakazaka eo alohany i Absaloma.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tatỳ aorian’izany nanomana kalesy iray sy soavaly ary olona dimampolo lahy izay nihazakazaka teo alohany i Absalôma.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany i Absalôma dia nanomana kalesy iray sy soavaly, ary koa vatan-dehilahy dimampolo hihazakazaka eo alohany.
Malagasy Bible 1865
Ary nony afaka izany, Absaloma dia nanomana kalesy iray sy soavaly ary olona dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Taorianan’izany dia nanomana kalesy fitondra miady iray sy soavaly ary lehilahy dimampolo ho mpihazakazaka eo alohany i Absaloma.
malagasy
[Ny niodinan'i Absaloma, sy ny nandosiran'i Davida] Ary nony afaka izany, Absaloma dia nanomana kalesy iray sy soavaly ary olona dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany.