2 Samuel 15:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy roanjato lahy avy tany Jerosalema nasain’i Absaloma, dia nanaraka azy ireo, nefa nandeha tamin’ny fahatsoran’ny fony fa tsy nahafantatra na inona na inona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nisy olona roan-jato lahy avy any Jerosalema niaraka tamin’i Absalôma, dia olona nasaina izy ireo ka nandeha tamim-pahatsoram-po, fa tsy nahalala na inona na inona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Lehilahy roanjato, nasain’i Absalôma no tonga niaraka taminy avy tany Jerosalema. Nefa nandeha tamim-pahatsorana ireo, fa tsy nahalala na inona na inona.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy roan-jato lahy izay nasain'i Absaloma, ka dia nanaraka azy avy tany Jerosalema, nefa nandeha tamin'ny fahatsoran'ny fony izy ireo, fa tsy nahafantatra na inona na inona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy roanjato lahy avy tany Jerosalema nasain’i Absaloma, dia nanaraka azy ireo, nefa nandeha tamin’ny fahatsoran’ny fony fa tsy nahafantatra na inona na inona.
malagasy
Ary nisy roan-jato lahy izay nasain'i Absaloma, ka dia nanaraka azy avy tany Jerosalema, nefa nandeha tamin'ny fahatsoran'ny fony izy ireo, fa tsy nahafantatra na inona na inona.