2 Samuel 15:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha mbola nanolotra ny fanatitra i Absaloma dia nandefa iraka naka an’i Ahitofela gilonita, mpanolotsainan’i Davida, avy tao an-tanànany, tao Gilo. Dia nihamasaka ny tetika fikomiana ka nihamaro hatrany ny olona nomba an’i Absaloma.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mbola eo am-panaterana ny sorona i Absalôma, dia naniraka haka an’i Akitôfela, Gilaônita, mpanolo-tsaina an’i Davida tany Gilaô tanànany. Nihamasaka fatratra ny firaisan-tetika hikomy, fa nitombo teo ihany ny vahoaka nomba an’i Absalôma.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha teo am-panaterana sorona i Absalôma dia nampaka an’i Ahitôfèla mpanolotsain’i Davida, tao amin’ny tanànany any Gilao. Nihamafy hatrany ny fiokoana, ka nitombo ny isan’ireo mpomba an’i Absalôma.
Malagasy Bible 1865
Ary Absaloma naniraka naka an'i Ahitofela Gilonita, mpanolo-tsaina an'i Davida, avy tao an-tanànany, dia tao Gilo, raha mbola nanatitra ny fanatitra izy. Ary nihamasaka ny tetika fikomiana, ka dia nihamaro mandrakariva ny olona nomba an'i Absaloma.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha mbola nanolotra ny fanatitra i Absaloma dia nandefa iraka naka an’i Ahitofela gilonita, mpanolotsainan’i Davida, avy tao an-tanànany, tao Gilo. Dia nihamasaka ny tetika fikomiana ka nihamaro hatrany ny olona nomba an’i Absaloma.
malagasy