2 Samuel 15:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Davida tamin’ny mpanompony rehetra izay tao aminy tany Jerosalema: Mitsangàna, andeha isika handositra, fa tsy hisy hahafahantsika amin’i Absaloma; andeha hiala haingana, fandrao malaky tonga izy ka ho tratrany eto isika dia hataony idiran-doza tampoka, ary hasiany amin’ny lelan-tsabatra ny tanàna.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy i Davida tamin’ny mpanompony rehetra tao aminy tany Jerosalema: «Mitsangàna, andeha isika handositra, fa tsy misy hahafahantsika amin’i Absalôma. Andao faingana fandrao dia tampohiny isika, ka ataony idiran-doza eto, sady hasiany amin’ny lelan-tsabatra ny tanàna.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy i Davida tamin’ireo minisitra rehetra izay nomba azy tao Jerosalema: –Mitsangàna, aoka isika handositra fa tsy misy fomba hafa hialantsika amin’i Absalôma. Andao hiala faingana fandrao ho tratrany eto isika, ka hidiran-doza; ary hasiany amin’ny lelan-tsabatra ny mponina iray tanàna.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Davida tamin'ny mpanompony rehetra izay tao aminy tany Jerosalema: Mitsangàna, andeha isika handositra, fa tsy hisy hahafahantsika amin'i Absaloma; andeha hiala faingana, fandrao tamy faingana izy, ka tratrany eto isika, dia hataony idiran-doza tampoka eto isika, ary hasiany amin'ny lelan-tsabatra ny tanàna.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Davida tamin’ny mpanompony rehetra izay tao aminy tany Jerosalema: Mitsangàna, andeha isika handositra, fa tsy hisy hahafahantsika amin’i Absaloma; andeha hiala haingana, fandrao malaky tonga izy ka ho tratrany eto isika dia hataony idiran-doza tampoka, ary hasiany amin’ny lelan-tsabatra ny tanàna.
malagasy