2 Samuel 15:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandeha teny anilany ny mpanompony rehetra; teo koa ny Keretita sy ny Peletita rehetra mbamin’ny Gatita rehetra; dia eninjato lahy izay nanaraka azy avy tany Gata, nandeha teo alohan’ny mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpanompony rehetra nandeha teny anindrany; ny Keretianina sy ny Feletianina, ary ny Geteanina rehetra enin-jato lahy, izay nanaraka azy hatrany Geta, dia nandeha teo alohan’ny mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nilahatra teo anoloan’i Davida avokoa ny mpiambina azy, dia ny Keretita rehetra sy ny Peletita rehetra ary koa ny miaramila eninjato lahy izay nanaraka azy avy any Gata. Izy rehetra ireo no nilahatra teo anoloan’ny mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanompony rehetra nandeha teny anilany, ka ny miaramila mpiambina andriana rehetra sy ny Gatita rehetra, dia enin-jato lahy izay nanaraka azy avy tany Gata, nandeha teo alohan'ny mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandeha teny anilany ny mpanompony rehetra; teo koa ny Keretita sy ny Peletita rehetra mbamin’ny Gatita rehetra; dia eninjato lahy izay nanaraka azy avy tany Gata, nandeha teo alohan’ny mpanjaka.
malagasy
Ary ny mpanompony rehetra nandeha teny anilany, ka ny miaramila mpiambina andriana rehetra sy ny Gatita rehetra, dia enin-jato lahy izay nanaraka azy avy tany Gata, nandeha teo alohan'ny mpanjaka.[Heb. Keretita sy Peletita]