2 Samuel 15:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Vao omaly no nahatongavanao, koa anio va dia hoentiko manjenjena hiaraka aminay ianao? Fa mandeha any amin’izay azoko aleha aho, koa mandehana ianao miverina ary ento hiara-miverina aminao ny rahalahinao. Ho aminao anie ny famindrampo sy ny fahamarinana!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vao omaly no omaly ianao no tonga, ka anio sahady ve dia hoentiko hiara-majenjena aminay, nefa izaho aza ity tsy mahalala izay tany halehako akory? Koa miverena ianao, ary ento miaraka aminao koa ireo rahalahinao, fa ho aminao anie ny fahasoavana amam-pahamarinan’i Iaveh!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vao omaly ve no nahatongavanao, ka anio ianao dia hoentiko hirenireny hiaraka aminay sahady, nefa izaho aza tsy mbola mahalala izay tany halehako! Koa miverena ihany any an-tanàna ary ento manaraka anao ireo mpiray firenena aminao. Homba anao anie ny fitiavana amam-pahamarinan’ny Tompo.
Malagasy Bible 1865
Fa vao omaly no nahatongavanao, ka anio va dia ho entiko manjenjena hiaraka aminay ianao? fa mandeha ho any amin'izay azoko aleha aho, koa miverena ihany ianao, ary ento hiara-miverina aminao koa ny rahalahinao; ho aminao anie ny famindram-po sy ny fahamarinana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Vao omaly no nahatongavanao, koa anio va dia hoentiko manjenjena hiaraka aminay ianao? Fa mandeha any amin’izay azoko aleha aho, koa mandehana ianao miverina ary ento hiara-miverina aminao ny rahalahinao. Ho aminao anie ny famindrampo sy ny fahamarinana!
malagasy