2 Samuel 15:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy anefa Itahy tamin’ny mpanjaka: Raha velona koa NY TOMPO, ary raha velona koa ny mpanjaka tompoko, dia izay hitoeran’ny mpanjaka tompoko, na ho faty na ho velona, dia any koa no hitoeran’ny mpanomponao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia izao no navalin’i Etaia ny mpanjaka nataony hoe: Velona i Iaveh ary velona koa ny mpanjaka tompoko! Fa na ho aiza na ho aiza ny mpanjaka, na ho faty na ho velona, dia ho ao koa ny mpanomponao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy i Itàhy namaly ny mpanjaka: –Velona ny TOMPO ka mianiana aminao aho fa na aiza na aiza hisy anao, ry andriamanjaka, na ho faty na ho velona, dia any koa no hitoerako.
Malagasy Bible 1865
Fa Itahy namaly ny mpanjaka hoe: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny mpanjaka tompoko, izay hitoeran'ny mpanjaka tompoko, na ho faty na ho velona, dia any koa no hitoeran'ny mpanomponao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Fa Itahy namaly ny mpanjaka hoe: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny mpanjaka tompoko, izay hitoeran'ny mpanjaka tompoko, na ho faty na ho velona, dia any koa no hitoeran'ny mpanomponao.