2 Samuel 15:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia indro koa i Zadoka sy ny levita rehetra nanaraka azy nitondra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. Napetrany ny vata misy ny faneken’Andriamanitra, ary niakatra i Abiatara, mandra-pahatapitra ny olona rehetra avy tao an-tanàna.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary indro ny fiaran’Andriamanitra fa napetrak’i Sadôka, mbamin’ny Levita rehetra nitondra ny Fiaran’ny faneken’Andriamanitra, raha ilay niakatra iny i Abiatara, mandra-pahatapitry ny vahoaka rehetra nivoaka avy ao an-tanàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tafaraka tamin’i Davida koa i Tsadôka sy ireo Levita rehetra nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’Andriamanitra. Napetrak’ireo ilay Vatamasina, ary nanolotra sorona kosa i Abiatara mandra-pahatafavoaka ny olon-drehetra tao an-tanana.
Malagasy Bible 1865
Ary indro koa Zadoka sy ny Levita rehetra nanaraka azy nitondra ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra. Ary nametraka ny fiaran'Andriamanitra izy ary Abiatara niakatra mandra-pahatapitry ny olona rehetra avy tao an-tanàna.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia indro koa i Zadoka sy ny levita* rehetra nanaraka azy nitondra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. Napetrany ny vata misy ny faneken’Andriamanitra, ary niakatra i Abiatara, mandra-pahatapitra ny olona rehetra avy tao an-tanàna.
malagasy
Ary indro koa Zadoka sy ny Levita rehetra nanaraka azy nitondra ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra. Ary nametraka ny fiaran'Andriamanitra izy ary Abiatara niakatra mandra-pahatapitry ny olona rehetra avy tao an-tanàna.