2 Samuel 15:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Zadoka: Ento miverina ho any an-tanàna ihany ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. Fa raha mahita fitia eo imason’NY TOMPO aho dia mbola hoentiny miverina ihany ka hasehony ahy iny sy ny fitoerany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Sadôka: «Ento miverina ao an-tanàna ihany ny Fiaran’Andriamanitra. Raha mahita fitia eo imason’i Iaveh aho dia mbola hoentiny miverina sy hataony mahita ny Fiara sy ny Fonenany ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Tsadôka: –Ento miverina any an-tanàna ny Vatamasin’Andriamanitra. Raha mahita fitia eo imason’ny TOMPO aho, dia mbola hoentiny miverina ihany, ka hampahitany indray ny Vatamasina sy ny fonena-masiny.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Zadoka: Ento miverina ho any an-tanàna ihany ny fiaran'Andriamanitra; fa raha mahita fitia eo imason'i Jehovah aho, dia mbola ho entiny miverina ihany, ka hasehony ahy iny sy ny fitoerany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Zadoka: Ento miverina ho any an-tanàna ihany ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. Fa raha mahita fitia eo imason’NY TOMPO aho dia mbola hoentiny miverina ihany ka hasehony ahy iny sy ny fitoerany.
malagasy