2 Samuel 15:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niakatra teny an-tendrombohitra Oliva i Davida. Nitomany teny am-piakarana izy sady nisaron-doha ary nandeha tsy nikiraro; ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy koa dia samy nisaron-doha sy niakatra am-pitomaniana avokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niakatra ny tendrombohitra Oliva i Davida, niakatra sy nitomany izy, sady nisaron-doha ary nandeha tsy nikiraro; ny vahoaka rehetra nanaraka azy koa nisaron-doha ary nitomany teny am-piakarana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nananika ny tendrombohitra Analanôliva tamin-dranomaso be i Davida, ka sady nisaron-doha izy no nandeha tsy nikiraro. Ny olona rehetra izay tafaraka taminy dia nisaron-doha avokoa, ka sady nananika ny tendrombohitra no nitomany.
Malagasy Bible 1865
Ary Davida niakatra teny an-tendrombohitra Oliva ka nitomany teny am-piakarana ary nisaron-doha sady nandeha tsy nikiraro; ary ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy samy nisaron-doha sy niakatra ary nitomany teny am-piakarana avokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niakatra teny an-tendrombohitra Oliva i Davida. Nitomany teny am-piakarana izy sady nisaron-doha ary nandeha tsy nikiraro; ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy koa dia samy nisaron-doha sy niakatra am-pitomaniana avokoa.
malagasy