2 Samuel 15:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nisy nanambara tamin’i Davida hoe: I Ahitofela koa dia mba isan’ny mpiray tetika amin’i Absaloma. Dia hoy i Davida: Mitaraina aminao aho, TOMPO ô, ampodio ho fahadalana ny hevitra ataon’i Ahitofela!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nisy nilaza vaovao tamin’i Davida nanao hoe: «I Akitôfela koa, anisan’ny mpiray tetika amin’i Absalôma»; ka hoy i Davida: «Iaveh ô, mangataka aminao aho, ampanjario tsinontsinona ny hevitr’i Akitôfela.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy nanambara tamin’i Davida fa anisan’ireo mpiara-mioko tamin’i Absalôma koa i Ahitôfela; ka dia hoy i Davida hoe: «Mitalaho aminao aho, TOMPO ô, ataovy adala ny torohevitr’i Ahitôfela!»
Malagasy Bible 1865
Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Ahitofela koa mba isan'ny mpiray tetika amin'i Absaloma. Dia hoy Davida: Mitaraina aminao aho, Jehovah ô, ampodio ho fahadalana ny hevitra ataon'i Ahitofela.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Ahitofela koa mba isan'ny mpiray tetika amin'i Absaloma. Dia hoy Davida: Mitaraina aminao aho, Jehovah ô, ampodio ho fahadalana ny hevitra ataon'i Ahitofela.