2 Samuel 15:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tonga teo an-tampon’ny tendrombohitra, teo amin’ny toerana fivavahan’ny olona tamin’Andriamanitra i Davida dia indro, avy hitsena azy i Hosay arkita, rovitra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga teo an-tampony i Davida teo amin’izay hivavahan’ny olona amin’Andriamanitra dia inty i Kosaia, ilay Arakita, tonga teo anatrehany, ka ny akanjony rovitra, ny lohany mihosim-bovoka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rahefa tonga teny an-tampon-tendrombohitra teo amin’ilay ivavahan’ny olona amin’Andriamanitra iny i Davida, dia inty tamy nanatona azy i Hosay izay Arkita; voatriatra ny fitafiany sady nihosim-bovoka ny lohany.
Malagasy Bible 1865
Ary nony tonga teo an-tampon'ny tendrombohitra Davida, dia teo amin'izay fivavahan'ny olona tamin'Andriamanitra, indro, avy hitsena azy Hosay Arkita, voatriatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tonga teo an-tampon’ny tendrombohitra, teo amin’ny toerana fivavahan’ny olona tamin’Andriamanitra i Davida dia indro, avy hitsena azy i Hosay arkita, rovitra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany.
malagasy